
TARATASY FENOINA :
1. Anaran’ny Vondrona na Fikambanana handray anjara :
2. Anaran’ny faritra ifampivelomana : lazao ny anaran’ny kaominina, ny distrika ary ny faritra misy ny faritra ifampivelomana
3. Taona niorenana: lazao ny taona niorenan’ny Fikambanana
4. Karazan’ny rafitra : safidio amin’ireto manaraka ireto ny mahakasika ny rafitra
a. Fokonolona
b. VOI
c. Fikambanana
d. Kaoperativa
e. Rafitra voamarina fa manana sata ara-dalana tsy manao fitadiavam-bola
f. Fikambanam-behivavy na vondrom-behivavy
g. Vondrona na fikambanana tsy ara-panjakana
h. Hafa : __________________
5. Fehezanteny famintinana (teny 200 farafahabehany): lazao amin’ny fehezanteny iray ny famintinana ny fahombiazana.
6. Famaritana fohy mahakasika ny vondrona na ny fikambanana (teny 1,000 farafahabehany) : manomeza famaritana fohy mahakasika ny Fokonolona na ny fikambanana mandray anjara
7. Momba harena voajanahary (teny 1,000 farafahabehany): Lazao ireo harena voajanahary voakasiky ny ezaka.
8. Fisehon’ny fioavaovan’ny toetr’andro (teny 2,000 farafahabehany): Inona avy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro aty aminareo? eo amin’ny:
– Asa fivelomana (fambolena, fiompiana, jono …)
– Olombelona (fahasalamana sns…)
– Harena voajanahary (farihy, ala, biby sy zava-maniry, fihenan’ny trondro, fahasimban’ny vato hara sns….)
9. Fiatrehana ny Fokonolona ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny faritra ifampivelomana (teny 2,500 farafahabehany):
a. Hazavao ireo fomba fiasa mahomby izay nataon’ny Fokonolona nentina niatrika ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro voalaza etsy ambony?
b. Hazavao raha misy fomba fanao na fahalalana nentim-paharazana izay nampiasan’ny Fokonolona nentina niatrika ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
c. Hazavao, raha efa nisy, ny hetsika efa nataon’ny Fokonolona niatrehana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro voalaza etsy ambony.
10. Miralenta (teny 500 farafahabehany): isany foto-kevitra vohizin’ny TAFO MIHAAVO ny miralenta koa lazao ny fomba nahafahan’ny ezaka nitondra ny miralenta tamin’ny asa rehetra natao.
11. Fivoarana sy fanaparitahana ny asa na ny ezaka (teny 500 farafahabehany):
Fivoarana : hazavao amin’ny fomba ahoana no nahafahana na hiantohana ny fanaparitahana ny asa na ny ezaka amin’ny toerana
Fanaparitahana: hazavao amin’ny fomba ahoana no nahafahana na hiantohana ny fampiharana ny asa na ny ezaka amin’ny toerana na faritra hafa.
12. Fiaraha-miombon’antoka (teny 200 farafahabehany): Lazao iza avy ireo mpiara-miombon’antoka niaraka tamin’ny Fikambanana tao anatin’ny fanatanterahana ny ezaka?
13. Mpiantoka: manomeza anarana olona roa miaraka amin’ny fifandraisany mety ahazoana azy izay mahalala tsara ny asa natao sy ny vokatra azo tamin’ny ezaka izay afaka antsoin’ny komity mpisafidy amin’ny dingan’ny fanamarinana
14. Fifandraisana : azafady omeo ny anarana, ny andraikitra, ny fikambanana, adiresy, toerana na tanana, faritra, laharana finday, mailaky ny tompon’andraikitra avy amin’ny mpandray anjara
15. Taratasy fanamarinana : tsara raha misy taratasy fanampiny (fa tsy voatery). Afaka mandefa taratasy fanampiny iray ny mpandray anjara (tatitra isa-taona, gazetim-baovao, famokarana, sns.)