Tafo Mihaavo - amboara
AMBOARA HO AN’NY FOKONOLONA

Ho fankalazana ny faha dimy taona niorenan’ny TAFO MIHAAVO Tambazotran’ny Fokonolona Mitantana Harena Voajanahary eto Madagasikara izay niorina tao Anjà-Ambalavao ny 22 May taona 2012.

 

Ho fanomezan-danja ny ezaka nataon’ny Fokonolona amin’ny fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary.

 

Ho fandraisana anjara amin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny Fampivoarana Lovain-jafy (ODD) laharana :

 

Faha 5 – vavy sy lahy mira lenta

Faha 7 – angovo madio sy amin’ny sarany mirary

Faha 11 – tanàna sy fiaraha-monina lovain-jafy

Faha 12 – fanjifana sy famokarana tompon’andraikitra

Faha 13 – fepetra mifanaraka amin’ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Faha 14 – fiainana anaty rano

Faha 15 – fiainana an-tanety

Faha 17 – fiaraha-miasa hanatontosana ny tanjona

 

Ny TAFO MIHAAVO dia mikarakara fifaninana entina mampivoitra ireo ezakin’ny Fokonolona amin’ny “fanomezan-danja lovain-jafy ny harena voajanahary ho an’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Fokonolona” sy ny “fahombiazan’ny Fokonolona amin’ny fiatrehan’ny fiovaovan’ny toetr’andro”

 

LOHAHEVITRA:

Ity fifaninanana ity dia manome vahana ireo Fokonolona/Vondron’Olona Ifotony/Fikambanana Malagasy izay efa nanao ezaka entina manatsara ny fari-piainan’ny Fokonolona eo amin’ny faritra ifampivelomany amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny harena voajanahary na ezaka natao nahafahana niatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny ezaka tsirairay dia mampivoitra asa, fahalalana, teknika ary paikady entina manome lanja ny harena voajanahary mba ho lovain-jafy sy hampiroboroboana ny fari-piainan’ny Fokonolona na manasongadina ny fahombiazana misy amin’ny fiatrehana sahady ny fiovan’ny toetr’andro izay olana mianjady amin’izao tontolo izao. Ny ezaka sy fahombiazana mifaninana dia miompana amin’ny fifampitondrana sy fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary ary ny fivoarana lovain-jafy (développement durable).

 

FEPETRA FANDRAISANA ANJARA:

Iza no afaka mandray anjara?

– Fikambanam-pokonolona (Fokonolona na Vondron’Olona Ifotony na Fikambanana na Kaoperativa) mizaka ny zom-pirenena Malagasy mitsangana ara-panjakana na tsia

– Amporisihana ny fandraisan’anjaran’ireo solon-tena avy any amin’ny faritra

Inona avy ireo mason-tsivana jerena amin’ny fandraisana anjara?

Ireo antontan-taratasy fandraisana anjara dia hodinihina eo anivon’ny komity mpitsara araka ireto mason-tsivana ireto:

Fiantraikany: ezaka na fahombiazana izay mitondrana fiovana tsara eo amin’ny lafiny fiarovana lovain-jafy ny harena voajanahary, amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fari-piainan’ny Fokonolona, amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay olana mianjady amin’izao tontolo izao; azo refesina ary mifandraika amin’ny fivoarana lovain-jafy (Développement Durable).

Mira lenta sy fijerena ireo sokajy marefo: ezaka na fahombiazana nampiroborobo ny mira lenta sy manome lanja ny fandraisana andraikitry ny vehivavy, ny tanora sy ny sokajy marefo manoloana ny asa sy ny fanapahan-kevitra ary afaka mampihena ny tsy fitovian-tsaranga eo amin’ny lafiny fidiram-bola tsy manavaka ny taona, ny lahy sy vavy, ny fananana kilema, ny fiaviana, ny fivavahana

Fivoarana sy fanaparitahana: fepetra hahafahana mampivelatra na mamerina ny ezaka na ny fahombiazana eo amin’ny manodidina, eo anivon’ny ny faritra sy amin’ny sehatra nasionaly eto amin’ny firenena na eo amin’ny iraisam-pirenena

 

FANAMARIHANA :

  • Ny mpandray anjara rehetra dia entanina mba hanome tarehimarika na antotan’isa (tondro) mampiseho ny zava-misy, ny fiantraikan’ny ezaka na ny fahombiazana sy ny fiovana tsara eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, ara-tsosialy sy ara-toekarena
  • Ireo ezaka sy fahombiazana izay voasafidy dia handalo fanamarinana sy sivana izay mety ilaina fanampim-panazavana na fitaovana avy amin’ny tompon’ny ezaka na fahombiazana
  • Mila mpiantoka miisa roa (02) izay mahafantatra tsara ny ezaka sy fahombiazana mifaninana mba ahafahana manao fanamarinana sy manome fanazavana fanampiny.
  • Komity ahitana olona enina (06): ahitana solo-tenan’ny tanora iray (01) , solo-tenan’ny Fanonga roa (02), solo-tenam-pokonolona roa (02), birao nasionalin’ny TAFO MIHAAVO iray (01); no hisafidy ireo izay hotolorana ny Fankasitrana
  • Ny taratasy fandraisana anjara dia azo angatahina amin’ny adiresy mailaka tafomihaavo@gmail.com na halaina ao amin’ny Biraon’ny TAFO MIHAAVO Logt 149 Cité Ampefiloha Antananarivo 101 na eo anivon’ny Komiti-paritra TAFO MIHAAVO misy anao.

 

Ny taratasy fandraisana anjara feno dia azo aterina ao amin’ny Biraon’ny TAFO MIHAAVO Logt 149 Cité Ampefiloha Antananarivo 101 na alefa amin’ny adiresy mailaka tafomihaavo@gmail.com

 

Ny fara-fandraisana ny antontan-taratasy fandraisana anjara dia ny 30 Aprily taona 2017.

 

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manantona ny Biraon’ny TAFO MIHAAVO na manao fangatahana fanampim-panazavana amin’ny mailaka na miantso ny laharana etsy ambany.

 

TAFO MIHAAVO
Logt 149 Cité Ampefiloha – Antananarivo 101
+261 33 25 884 20 / +261 34 13 927 82 / +261 33 83 489 46 / +261 34 21 792 83
tafomihaavo@gmail.com