• Mamaritra ny zo sy andraikitry ny Fokonolona sy ny rafitra mpitantana ny harena voajanahary, ny lalam-pamokarana sy fihariana, ny asa sosialy… eo amin’ny faritra ifampivelomany ary ny fandraisana anjarany eo amin’ny tahirim-pokonolona
• Mamolavola torolalana entina mifampitondra sy mitantana ny tontolo iainana sy ny kolontsaina (drafi-panajariana sy fitantanana ny faritra ifampivelomana, dina, afo, biby sy zava-maniry…), manapariaka ireo fitaovana ireoamin’ny Fokonolona ary manofana azy ireo amin’ny fampiasana azy
• Mametraka drafi-panajariana sy fitantanana ny faritra ifampivelomany ny Fokonolona izay ahitana ny faritra arovana, ny tany, ny harena iombonana (rano sy sahan-driaka) ary ny tànana
• Manamafy ny fahaiza-manao ny Fokonolona sy ireo rafitra mpitantana ao aminy: mitarika,mandresy lahatra, mifampiraharaha, mandrindra, mamaha fifanolanana ary mitantana harena voajanahary, vola sy asa