Tafo Mihaavo - amboara
FIFANINANANA HO AN’NY FOKONOLONA : “FANOMEZAN-DANJA LOVAIN-JAFY NY HARENA VOAJANAHARY HO FANATSARANA NY FARI-PIAINAN’NY FOKONOLONA

TARATASY FENOINA :

1. Anaran’ny Vondrona na Fikambanana handray anjara :

 

2. Anaran’ny faritra ifampivelomana : lazao ny anaran’ny kaominina, ny distrika ary ny faritra misy ny faritra ifampivelomana

 

3. Taona nanaomboana ny ezaka: Oviana no nanomboka ny ezaka?

 

4. Karazan’ny rafitra : safidio amin’ireto manaraka ireto ny mahakasika ny rafitra

a. Fokonolona

b. VOI

c. Fikambanana

d. Kaoperativa

e. Rafitra voamarina fa manana sata ara-dalana tsy manao fitadiavam-bola

f. Fikambanam-behivavy na vondrom-behivavy

g. Vondrona na fikambanana tsy ara-panjakana

h. Hafa : __________________

 

5. Famaritana fohy mahakasika ny vondrona na ny fikambanana (teny 1,000 farafahabehany) : manomeza famaritana fohy mahakasika ny Fokonolona na ny fikambanana mandray anjara

 

6. Momba harena voajanahary (teny 1,000 farafahabehany): Lazao ireo harena voajanahary voakasiky nahazoana ny fahombiazana.

 

7. Fanomezan-danja lovain-jafy ny harena voajanahary (teny 2,500 farafahabehany):

a. Inona ny asa fihariana na fivelomana mifandray amin’ny HVJ ka tsy manimba azy?

b. Inona avy ireo dingana narahana nahatongavana tamin’izay?

c. Inona ny lesona na fomba fiasa tsara noraisina tao anatin’izay?

d. Inona ny tanjona manaraka?

 

8. Fiantraikan’ny asa fivelomana na fihariana natao eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-toe-karena amin’ny fari-piainan’ny Fokonolona (teny 2,000 farafahabehany): Asio antontan’isa marina araka izay azo atao (ohatra: isan’ny tokantrano misitraka ny asa atao, ny vola miditra isan-tokantrano: taloha sy ankehitriny sns…)

a. Iza avy ireo sokajin’olona misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny harena voajanahary?

b. Lazao ireo fiantraikan’ny fampiasana ny harena voajanahary eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karena amin’ireo sokajin’olona voataniasa etsy ambony.

 

9. Fitantraikany ara-tontolo iainana (teny 2,000 farafahabehany):

a. Lazao ny fiantraikany ara-tontolo iainana nentin’ny asa fivelomana na fihariana natao, toy ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fiarovana ny biby sy zava-maniry, ny fanatsarana ny farihy sns…

b. Manaova fanentanana ho an’ny Fokonolona hafa mba hiaro ny tontolo iainana

 

10. Miralenta (teny 500 farafahabehany): isany foto-kevitra vohizin’ny TAFO MIHAAVO ny miralenta koa lazao ny fomba nahafahan’ny ezaka nitondra ny miralenta.

 

11. Fiaraha-miombon’antoka (teny 200 farafahabehany): Lazao iza avy ireo mpiara-miombon’antoka niaraka tamin’ny Fikambanana tao anatin’ny fanatanterahana ny ezaka

 

12. Mpiantoka: manomeza anarana olona roa miaraka amin’ny fifandraisany mety ahazoana azy izay mahalala tsara ny asa natao sy ny vokatra azo tamin’ny ezaka izay afaka antsoin’ny komity mpisafidy amin’ny dingan’ny fanamarinana

 

13. Fifandraisana : azafady omeo ny anarana, ny andraikitra, ny fikambanana, adiresy, toerana na tanana, faritra, laharana finday, mailaky ny tompon’andraikitra avy amin’ny mpandray anjara

 

14. Taratasy fanamarinana : tsara raha misy taratasy fanampiny (fa tsy voatery). Afaka mandefa taratasy fanampiny iray ny mpandray anjara (tatitra isa-taona, gazetim-baovao, famokarana, sns.)