fikambanana ANJA MIRAY (A.MI.)

NY FIKAMBANA ANJA MIRAY (A.MI.) : MODELIM-MPITONDRANA SY FITANTANANA IOMBONANA SADY MAHARITRA NY HARENA VOAJANAHARY

Noforonina tamin’ny 1999 ny Fikambanana ANJA MIRAY. Ny fiarovana ny vondron’alan’ny faritra ambanin’Analanjà izay manan-karena biby sy zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, no tanjony. Hita ao ny karazan-java-maniry fanao fanafody, anisan’izany ireo fampiasa amin’ny didim-poitra sy ny fitsaboana netim-paharazana. Raha ny amin’ny biby, dia hita ao ny varika, ny vorona ary ny bibilava. Ahitana loharano betsaka afaka manondraka tanimbary 20ha sy mamatsy rano farihy iompiana trondro ao anatin’ity ala ity.

Ny zava-maniharana nosetraina sy ny fihetsika nasetrin’ny mponina ao amin’ilay faritra

Tamin’ny fiandohan’ireo taona 90, dia notrandrahana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny 50 isan-jaton’ny alan’Anja (13ha). Nitarika ny faharitran’ny loharano sy ny fanotoran’ny fasika ny saha-mpambolena izany fanimbana izany. Nihena isan-taona ny vokatra nandritra ny folo taona. Nanomboka nandao ny ala ny varika noho ny tsy fisian’ny sakafo nohanina intsony.

Mba hiatrehana izany toe-javatra izany dia nangataka ny fanohanan’ny sampan-draharahan’ny rano sy ny ala ho amin’ny fanentana ny mponina mba hiaro ny tontolo iainana ny tanora roapolo teo ho eo. Nahita famatsiam-bola mba hanampiana ireo fianankaviana amin’ny fanajariana ireo tany ivelan’ny ala mba hambolena katsaka fa tsy amin’ny tavy intsony ireo tanora. Niatsahatra tanteraka tamin’izany fanao izany ireo fianakaviana ireo noho ny fifanekena ara-tsosialy iombonana antsoina hoe dina. Nandritr’izany, dia namerina tamin’ny laoniny sy nikojakoja ny ala tamin’ny herim-pon’izy ireo manokana ny mpikambana.

Nisy olona nitonona ho tompon’ilay faritra ifampivelomana tamin’ny taona 2000. Niaro ny tombonsoan’ny ny mpiara-monina i RAHAOVALAHY Victor izay filohan’ilay fikambanana tamin’izany fotoana izany na dia nahiditra am-ponja 24 ora aza izy.

Nohon’ny fahombiazan’ny fikambanana, dia nafindran’ny sampan-draharahan’ny rano sy ny ala tamin’izy ireo ny fitantanana ilay faritra ivelomana tamin’ny 23 novambra 2001 ka ny tanjona dia ny fiarovana ny ala sy ny harena ao anatiny amin’ny alalan’ny fampandrosoana ny fizahantany ho fiarovana ny tontolo iainana voalanjalanja sy ny faritra ambanivohitra manodidina.

Ny zava-bita

Tamin’ny 2001 dia velaran-tany 13ha tamin’ireo 650 hektaran’ilay faritra voatahiry no nafindra hotantanin’ny fikambanana ANJA MIRAY. Nitombo 5ha ny velarana narovana taorian’ny tombana ary nohavaozina folo taona ny fifanekena.

Ny toerana tantanan’ny fikambanana ANJA dia tonga loharano fampandrosoana fahalalana nohon’ny fitsidihan’ny mpizahantany sy vondrona mpianatra ary mpahay siansa.

Latsaky ny zato ny isan’ny varika tamin’ireo taona 90. Enin-jato eo ho eo no voaisa ankehitriny ary misy karazany efatra ka anisan’izany ny Lémur catta.

Voaisa ihany koa vao haingana karazana bibilava enina sy tanalahy telo ary tsy latsaky ny fito ny karazana androngo. Fantatra koa ny fisian’ny karazan-tsahona 12.

Misy karazam-borona 40 ao amin’ilay faritra voatahiry ka anisan’izany ny vorona mpifindra monina toy ny Drongo. Voaaron’ny hantsana ireo akanim-borona misy ireo karazana tsy fahita intsony sy madiva ho lany tamingana.

Voaaro tsara ny ireo loharano ary mikorian hatreny an-tsaha sy tanàna ny rano.

Soa iombonana sy fomba fivelomana maharitra

Ny famerenana amin’ny laoniny ny famatsian-drano, ny fiompiana sy ny fambolena no anisan’ireo vokany voalohany rehefa nialana ny tetikala ka nohajariana ny ala. Hatreo dia tanimbary 20ha no nampidiran-drano ka nafahana niantoka ny fiveloman’ny mponina tamin’ny voka-bary 5 taonina isaky ny hektara sy trondro 5 taonina isan-taona. Marihina fa ny taham-pamokaram-bary eto amin’ny nosy dia 2 taonina isaky ny hektara .

Hatramin’ny 2001 dia nampivoatra ny fizahan-tany miaro ny tontolo iainana ny fikambanana.. tamin’ny voalohany dia teo amin’ny zato eo ho eo fotsiny ny mpizaha tany tonga nitsidika ilay toerana isan-taona. Ankehitriny ANJA dia iray amin’ireo toerana iombonana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara satria amin’ny an-tsalany dia mihoatra ny zato isan’andro ny mpitsidika ka efa 10 900 izy ireo tamin’ny oktobra 2011 !

Ny fizahan-tany miaro ny tontolo iainana dia mamatsy vola ny mponina eo anelanelan’ny 35000 sy 45000 dolara amerikana eo isan-taona.

Amin’ny tanora 150 eo an-tanàna dia mihoatra ny 28 no manao ny asan’ny mpitondra mpizahan-tany sady mahay teny maro.

Noho ireo vola miditra ireo dia afaka manakarama andiam-piambina ny tontolo iainana, manisa ny karazan-javaboary ary manao fambolen-kazo ny fikambanana.

Nanorina tranon-tsekoly ANJA MIRAY ary manampy tsy an-kiato ireo be taona sy kilemaina. Manao asa-tanana ho an’ny mpizaha tany ireo vehivavy.