Fikambanana Tsara Omana

FIKAMBANANA TSARA OMANA : TAO ANATIN’NY TOE-JAVATRA TENA SAROTRA, DIA NIARA-NIENTANA MBA HANARINA SY HANAMAFY NY FAHAFAHAN’IZY IREO MIATRIKA HAINGANA NY HAIN-TANY SY NY TONDRA-DRANO, NY FIARAHA-MONIN’ANTANIMENA

Ny Fikambanana Tsara Omana dia vondrona iombonana iray tena marefo itambaran’ny mponin’ Antanimena ao amin’ny Fivondronam-pokotanin’ Andranohinaly, faritr’Atsimo-Andrefan’i Madagasikara. Maherin’ny 97 isan-jaton’ny mponin’ilay faritra ifampivelomana no mpamboly. Mitantana velaran’ala mirefy 2 209ha izy ankehitriny ary efa nanajary tany nanaovan tetikala mirefy 30ha kay nilaozana ; nampihena ny fe-potoana tsy nampisy sakafo ho an’ny fianakaviana 50 tena marefo ho iray volana tamin’ny 2013, raha toa ka telo volana izany teo aloha, ary heverina tsy hisy intsony izany amin’ny 2015.

Zava-maniharana nosetraina sy fihetsika nasetrin’ny mponina ao amin’ilay faritra

Fikambanana Tsara Omana - Antanimena manamorona ny Onilahy

Ny tananan’Antanimena manamorona ny Onilahy

Na dia fatra-panaja ny toerana manana ny hasiny aza ny mponina eo amin’ilay toerana ifampivelomana, dia voatery mamokatra arina sy mivaro-mora ny hazo nokapaina tsy ara-dalàna tao an’ala mba hivelomana. Tsy ampy ny filan’ny mponina intsony ny vokatry ny fambolena ka manjary mitrandraka tsy ara-dalàna ny harena ao an’ala izy ireo.
Noho ny fahatsapana ny loza mitatao aterakin’ny fampiasan’izy ireo ny harena ao an’ala sy ny fiatraikany: fihenan’ny tany azo hambolena noho ny fanotoran’ny fasika, ny fikaohin’ny riaka ny tany ary ny fahatondrahan’ny Onilahy, dia nanomboka namboly hazo ny mpiara-monina marefon’ Antanimena tamin’ny
2001.

Noforonina tamin’ny : 2001
Mpandray soa mivantana : olona 2 040
Ala notantanana: 2 209 Ha
Tokantrano : 732
Karazan-javaboahary: varika (Lemur catta, Phopithecus,…), sokina, vorona (Coua, Vano na Hérons…), bibilava (Do na Boa de Madagascar : Acrantophis madagascariensis, gecko…) ; katrafay (Cedrelopsis grevei), Vaovy (Tetrapterocarpon geayi), ambilazo (Albizia arenicola)…
Vokatry ny faritra ivelomana : katsaka, voanjo, antsoroko (Vigna umbellata)

Zava-bita

Mba hanovana tanteraka ny toe-javatra, dia namaly ny fihaikana ny mponina tamin’ny 2008 ka nanomboka namerina amin’ny laoniny ny ala, nanatevina ny fahampian-tsakafo ary nampiasa teknikam-pambolena hiantrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ala 22ha no naverin’izy ireo tamin’ny laoniny, nohamafisiny ny fitantanana iombonana tamin’ny ala mirefy 2 209ha ary tany nanaovana tetikala sy nilaozana mirefy 30ha no voajary, Nampihena ny fe-potoana tsy nampisy sakafo ho an’ny fianakaviana 50 tena marefo ho iray volana tamin’ny 2013 izany, raha toa ka telo volana izany teo aloha, ary heverina tsy hisy intsony izany amin’ny 2015.
Ny fampiasana ireo fitaovana momba ny fitantanana iombonana : ny fifanekena ara-tsosialy mbamin’ny tetikasa fanajariana sy fitantanana, dia nampihena ny tetikala izay 600ha telo taona talohan’ilay tetik’asa ho 70ha tamin’ny 2013 ka ho tonga aotra izany amin’ny 2015. Aro afo mirefy 50km ny halavany sy 2m ny sakany no voapetraka sy kojakojain’mpiara-monina isaky ny volana jolay ka tsy nampisy intsony ny doro-tanety

Vokatr’ireo asa ireo, tamin’ny taona 2013dia nafindran’ny sampan-draharaha teknika tamin’ny fomba ofisialy tamin’izy ireo ny andraikitra momba ny fitantanana ny ala mirefy 2 209ha anisan’ny taolana mafin’ny Faritra Vaovao Voaaro ao Amoron’i Onilahy mirefy 158 195ha, izay misandrahaka amin’ny fivondronan-pokotany 10. Natao hiarovana amin’ny toe-javatra mahatonga fikaohana ny tany sy ny fanotorana toerana ivarinan’ny rano io FVV io. Arovany noho izany ny fahasalaman’ny honko sy ny harambaton-dranomasina, izany hoe ny fomba iveloman’ny mpanjonon’ilay faritra.

Ankoatra izay, ilay fikambanana dia nametraka fomba fanangonam-bola iombonana ahafahana mividy sakafo mora kokoa noho ny eny an-tsena ka efa voaaro sahady amin’ny tsy fahampian-tsakafo ny ankamaroan’ny olona.
Karazan’ambioka vaovao afaka misedra ny fiovaovan’ny totr’andro no nampiasaina mba hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo ka tokantrano tena marefo 50 no niala tamin’ny asa mafy sady tsy ahazoam-bola firy amin’ny famokarana arina

Soa iombonana sy fomba fivelomana maharitra

Nanomboka tamin’ny 2010, dia vehivavy 200 no nanao fambolena legioma ka nahazo vokatra 560 kilao isan-taona. Tao anatin’izay fotoana izay koa dia nampiasaina ny teknika vaovao amin’ny fambolena voamadinika : fambolena toratady, fampiasana angadin’omby ary ambioka mora vokarina, dia nampitombo ny vokatra zato isan-jato. Ny fitambaran’izany no niantoka ny fiveloman’ny mpamboly ka nanatsara 20 isan-jato sy isan-taona ny vola niditra tamin’izy ireo.

Fikambanana Tsara Omana - Fiasana tany

Fiasana tany amin’ny teknika nohatsaraina

 

Tamin’ny 2012, dia nanamboatra trano fanatobian’entana nasiana takelaka manome angovo avy amin’ny masoandro ny Tsara Omana . Tehirizina ao ny fitaovana ampiasaina amin’ny fambolena , ny vokatra ary ny ambiokan’ ny mpiara-monina. Ny saran’ny fitehirizana, ny famenoan’aratra ny fitaovana ao an-tokantrano sy ny fampanofana fitaovana dia nampitombo ny volan’ny mpiara-monina eo amin’ny 2 000dolara amerikana isaky ny fotoam-pambolena ary noho ny fividianana vokatra mandritry ny fahabetsahany sy ny famarotana izany amin’ny vidiny lafo amin’ny mpanangom-bokatra fa amin’ny vidiny mora kosa amin’ny mponina mandritry ny tsy fisiany. Hamatsy sakafo ny mpianatra izy ireo amin’ny 2014 mba hisorohana ny fialana amin’ny fianarana sy hanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo. 

Ny fahampian-tsakafo miaraka amin’ny fampiharana ny fitsipiky ny fitondrana sy fitantanana ny ala dia nampihena 60 isan-jato ny tsindry teo amin’ny ala tao anatin’ny 3 taona ka ho foana izany amin’ny 2015.

Fikambanana Tsara Omana