FIKAMBANANA TSARAFARA: VEHIVAVY TERATANY VONONA NY HITARIKA NY VONDRON’OLONA REHETRA HANAJARY SY HITANTANA MAHARITRA NY FARITRA IFAMPIVELOMANA MIREFY 3459HA, KA HAMPIROBOROBO NY ASA ARA-TSOSIALY SY ARA-TOEKARENA MAMPAHARITRA NY TONTOLO IAINANA.
Tamin’ny 1999, i Mama Bako, vehivavy avy ao Tsiazompaniry dia nody tany aminy rehefa nandao izany nandritra ny 27 taona. Nalahelo izy nahita ny faritra ifampivelona niaviany lasa ngazana kanefa rakotr’ala fahiny, koa dia tapa-kevitra ny hanolo-tena izy mba hampivondrona ny mponina sy ny mpiantsehatra ary ny mpiray ombon’antoka hamerina amin’ny laoniny indray sy hitantana maharitra ilay tontolo iainana sarobidy ho an’ireo mponina eo an-toerana sy mba ho tahirin-drano ho an’ny tanànan’Antanananarivo
Na teo aza ny zava-tsarotra samihafa, dia nihoatra ny nantenaina ny zava-bita:
Na teo aza ny tsy faharisihina isan-karazany sy ny tsy fahatokisana dia tafatsangana ny Fikambanana Tsarafara tamin’ny 2001, ka tetik’asa samihafa no vita anisan’izany ny fananganana ozinina fanodinana menaka iombonana, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny famindrana ny fitantanana ny farihy (2 400 Ha) sy ny ala (1 059Ha) ao Tsiazompaniry teo amin’ny manampahefana sy ny Fikambana, ny fanajariana tany 600ha, ny fifehezana ny afo, ny fizahan-tany ampiarahina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny jono, ny fanabeazana ara tontolo iainana any an-tsekoly, ny fahazahoana herinaratra avy amin’ny masoandro, ny fahazahoana rano ho an’ny fambolena amin’ny toerana avo, sy famokarana voankazo (akondro, kafe sy mananasy) ary ny fampiasan zezika azo avy amin’ny fiompiana omby. Ny zava-bita farany dia ny fananganana koperativa ho an’ny vehivavy. Nisy zava-nitranga nahavariana: rehefa notanterahina ireo tetik’asa ireo dia nanjary nirotsaka tanteraka koa ireo nisalasala teo aloha. Taorian’ny fahombiazan’ ireo tetikasa teo an-toerana ireo, dia nohavaozin’ny manam-pahefana folo taona indray ny fifanekena famindram-pitantana nanomboka ny taona 2010. Farany, aoka ho marihina fa ny fitaovana fampakaran-drano ampiasaina dia nahazo ny lokan’ny fifaninanam-pirenena momba famoronana zava-baovao tamin’ny 2013
Noforonina tamin’ny : | 2001 |
Mpandray soa mivantana : | olona 4129 |
Ala notantanana: | 2 400 Ha |
Farihy notantanina: | 1 059 Ha |
Karazan-java-boahary: | karazana orkide 64, karazan-javamaniry rubiacées 43, fosa (Cryptoprocta ferox), trandraka (tenrecs), sora (Hemicentetes sp.), lambo potamochère, soimanga (Nectarinia souimanga), lava salaka na fauvette de Madagascar (Nesillas typica), tsintsina na cisticole de Madagascar (Cisticola cherina), toloha coucal gasy (Centropus toulou), vorondreo na courol (Leptosomus discolor,), taitso na Coua manga (Coua caerulea) |
Vokatry ny faritra ifampivelomana : | menaka manitra azo amin’ny géranium, kininina eucalyptus, ravintsara (Cinnamomum camphora) ; ny voankazo toy ny zavokà, goavy, pibasy, mananasy, akondro ary kafe |
Soa iombonana sy fomba fivelomana maharitra
Ny fiovana asa mampidi- novain’ny maro bola tsy manimba ny tontolo iainana dia foto-javatra tena lehibe. Olona maro no nanova ny fahazarana mioty baranahiny ny vokatry ny ala sy ny fanaovana tavy ka ny lasa mivelona amin’ny famokarana menaka manitra, ny jono, fambolena hazo fihinam-boa, ary ny fiasana amin’ny sehatrin’ny fizahan-tany miaro ny tontolo iainana…Nampiditra vola eo amin’ny 1000dolara US isan-tokantrano isan-taona noho izany ireo mpamokatra menaka manitra. Ny hafa dia namokatra voankazo fihinam-boa: 15ha voavoly zavokà tamin’ny 2006, 6ha novolena goavy sy pibasy tamin’ny 2010, zanaka mananasy 500, zanak’akondro 1000 et hazo kafe1000 no voavoly tamin’ny 2012.
Eo amin’y ara-tsosialy, ny mponin’ny fivondronam-pokotany rehetra dia nanomboka nahazo famatsian-drano avy amin’ny farihy Ny fanovana azy ho rano fisotro madio ao anatin’ny enim-bolana dia hanatsara ny fiainan’ireo fianakaviana ao. Sekoly roa, fiangonana iray ary tokantrano 60 no nahazo herin’aratra avy amin’ny masoandro. Afaka nitsisy fotoana betsaka ny mpianatra sy ny ray aman-dreny rehefa tsy nampiasa labozia sy solika fandrehatra intsony. Vokany hafa koa no eritreretana ho azo avy amin’izany : fandriam-pahalemana, soa ho an’ny fianankaviana, fitsitsiana eo amin’ny fandaniana ary ny hatsaran’ny fanabeazana. Izany dia nahatonga ny isan’ireo mpanohana mirotsaka amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ao Tsiazompaniry eo anilan’ny mpikambana hitombo be dia be ankehitriny.
Na dia eo aza ireo fandrosoana azo tsapain-tanana, dia mbola misy ny tanjona mbola tokony hotratrarina: ireo zava-tsarobidy voajanahary ao Tsiazompaniry dia mila ny tolo-tanana mivelatra ananan’ireo mpiara miombon’antoka ara-tsiansa sy ara-teknika ary ny fahaizana mampita hevitra vaovao sy mahery vaika mba hisian’ny fampandrosoana maharitra.