FARITRA IFAMPIVELOMANA

FARITRA IFAMPIVELOMANA
« Iray vatsy iray aina »
–Ny faritra mamelona ny olombelona, ny olombelona mamelona ny faritra ary ny olombelona samy olombelona koa mifamelona.
–Mifamatotra ny faritra ivelomana sy ny kolontsaina: ny faritra ivelomana mamolavola ny kolontsaina ary ny kolontsaina mamolavola ilay faritra. Kolontsaina izay azo avy amin’ny tantara ampitain’ireo zokiolona sy avy amin’ny fahalalana samihafa.
–Ny faritra ifampivelomana no misy ny vatsim-pivelomana eo ambonin’ny tany sy ireo tahirin-karena ao an-kibon’ny tany; ka ny Fokonolona no tompon-draharaha tanteraka eo amin’ny fikajiana sy fitantanana ara-drariny sy hitsiny.
SOATOAVINA

SOATOAVINA
Fifampitondrana sy fitantanana ataon’ny Fokonolona:
Ny fifampitondrana sy fitantanana ataon’ny Fokonolona dia mandala ireto soatoavina ireto izay hita taratra ao anatin’ny vina iombonana sady mampiombona:
– Soa iombonana
– Teny ierana
– Raharaha ikambanana
– Entan-jarai-mora zaka
– Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary
– Hevitry ny maro mahataka-davitra
– Fifanajana

Lalam-panavaozana ny Lalàna
– Famaritana amin’ny antsipiriany ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny maha izy azy ny Fokonolona araka ny lalàna. Noho izany izy dia afaka mizaka manana ny harena voajanahary ao anatin’ny faritra ifampivelomany. Io faritra ifampivelomana io no fototra ara-jeografia hananganana sy hanekena ny Fokonolona.
–Marihina fa ny harena voajanahary anatin’ny faritra ifampiveloman’ny Fokonolona, izay ekena fa fananany, dia tsy azo amidy na atakalo, ary ny sata maha harena voajanahary azy dia tsy azo vonoina.
–Ny fametrahana ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny Fokonolona, araka ny famaritana etsy ambony, dia laharam-pahamehana. Amin’izay dia tsy ho azo hihodivirana ny Fokonolona eo amin’ny fandraisana fanapahan – kevitra mahakasika ny fanomezan-danja sy ny fitrandrahana ny harena voajanahary rehetra misy eto Madagasikara ho fitsinjovana azy ireo mba holovain-jafy.
–Ny olona tsirairay monina ao anatin’ny faritra ifampivelomana iray ka manaja sy mankato ny dinam-pokonolona sy ny kolontsaina eo an-toerana dia raisina ho isan’ny Fokonolona.
–Koa satria efa neken’ny Lalàmpanorenana nifandimby ny Fokonolona, dia heverina fa ho azo atao ny mandrafitra lalàna ho fanatanterahana ireo soso-kevitra voalaza etsy ambony araka izay teti-pitondrana sy teti-pivoarana manamafy ny fananana sy ny fahefana manapa-kevitra ary ny fitantanan’ny Fokonolona ny faritra ifampivelomana sy ny harena voajanahary ao anatiny.