• Manome tolo-kevitra hanavaozana ny lalàna sy ny didy hitsivolana mikasika ny zo sy andraikitry ny Fokonolona amin’ny fanapaha-kevitra, fitantanana, ny hetra sy ny tamberin’andraikitra hataon’ny mpandraharaha mikasika ny harena voajahary eo amin’ny faritra ifampivelomany (ny lalàm-panorenana, ny didy hitsivolana 73-009, 73-010, 73-040 tamin’ny 1973, ny GELOSE, MECIE, COAP, ny lalàna mikasika ny fananan-tany, ny harena an-kibon’ny tany…)
• Manao fanadihadiana mamaritra ny toerana sy andraikitry ny Fokonolona eo amin’ny lafiny fitsinjaram-pahefana sy amin’ny maha fiaraha-monim-pirenena azy
• Manao tolo-kevitra hanavaozana ny lalàna mikasika ny dina ahafahana mitantanana sy mikajy maharitra ny harena voajanahary
• Manao serasera eny ifotony hizarana ny hevi-dehibe ary mampiditra ny heviny ao amin’ny tolo-kevitra
• Maka ny hevitra sy tetika ara-teknika eny amin’ny ministera isan-tsokajiny sy ny solombavambahoaka
• Manao atrikasa teknika miaraka amin’ny manam-pahaizana, teknisianina, mpitondra fanjakana sy solombavambahoaka entina manatsara ny volavolan-dalàna ary manomana tetika sy paika entina mandresy lahatra ny eo anivon’ny antenimieram-pirenena
• Mametraka ny fepetra ahafahana manoratra ny harena iombonana ao amin’ny fari-piveloman’ny Fokonolona amin’ny anarany ary mamerina ny tamberin’andraikitra amin’izany