tafomihaavo - toe-karena sy sosialy

Lafiny ara-toe-karena sy sosialy

Tanjona : Manana ny fizakan-tena ara-tsakafo, ara-bola, ara-pitaovana sy amin’ny fanapahan-kevitra ny Fokonolona ary mahazo tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana maharitra ny harena voajanahary amin’ny faritra ifampivelomana misy azy, miaraka
amin’ny fanohananan’ny teknisianina.

Paikady

Fanampiana ny Fokonolona amin’ny fanapahan-kevitra izay raisiny sy ny asa ataony mikasika ny fitrandrahana ny harena voajanahary eo amin’ny faritra ifampivelomany ka lasa fanoitra ho an’ny fivoarana lovain-jafy, ary fanamafisana ny fahaizan’ny
eny ifotony mifampiraharaha ka hiverenan’ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajahary any amin’ny Fokonolona ary ahafahany mitantanana ara-drariny ny tahirim-pokonolona

Vokatra andrasana

Fokonolona vanona:

1 – Mahay mitantana ara-drariny ny harena sy ny tahirim-pokonolona izay fototra hanatsarana ny fiainan’ny Fokonolona sy fototry ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary

2 – Mampitombo ny harena iombonana sy ny fari-piainan’ireo olona marefo ka miala amin’ny fitrandrahana tsy am-piheverana ny harena voajahary hataon’ireo orinasa lehibe na noho ny fahantrana

3 – Mahay mifampiraharaha amin’ny famerenana sy fampiasana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena misy ao aminy

Asa atao

• Mametraka teti-pitantanana ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana ny harenavoajanahary miverina any amin’ny Fokonolona

• Manatsara ny fandriampahalemana eny ifotony

• Mampitombo ny tahiri-tsakafo toy ny fanaovana sompitra iombonana arymampiasa teknika sy teknolojia mampiakatra ny fari-piainana mifanaraka amin’ny zava-misy eny amin’ny faritra

• Manangana, mitantana mahomby, mampiasa ara-drariny ny tahirim-pokonolona amin’ny asa mahasahana ny tontolo iainana, ny sosialy ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Fokonolona