• Manafaingana ny tomban’ireo fifanaraham-pitantanana ny harena voajanahary eny ifotony sy mangataka ny fanavaozana izany
• Mandray andraikitra avy hatrany amin’ny fitantanana ny faritra misy harena voajanahary iombonana tsy mbola ampy fikajiana ny Fokonolona
mba hanatanterahana ny Tanjon’i Aïchi
• Mandray anjara amin’ny fandrafetana sy fanatanterahana ny paikady nasionaly momba ny Haren-java-boahary na ny « biodiversité », ny fitantanana maharitra ny nofon-tany, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fandoto simika ary ny fifanarahana iraisam-pirenena samihafa
• Mitady sy manapariaka ny teknika sy tetika ary fomba amin’ny fisahaza sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary mampiroborobo ny fampiasana angovo azo havaozina (amin’ny fandrahoana, fahazavana, famokarana…)
• Miaro ny zon’ny Fokonolona amin’ny fandraisan’anjara eo amin’ny tsenan’ny karbona mba hahazoany tombontsoa
• Misoroka sy miady amin’ny loto sy fahasimbana isan-karazany ateraky ny asan’olombelona na tsia (fandoto simika, zava-maniry manimba…)