NY NIPOIRAN’NY TAFO MIHAAVO
Tafo mihaavo - tantara

Tamin’ny taona 2011 dia nisy ny atrikasa tamin’ny faritra 7 ary nasionaly mba hisintonana ny lesona sy paikady avy eny ifotony mikasika ny fitantanana ny harena voajanahary. Ny vokatr’izany atrikasa rehetra izany no nahitan’ireo rafitra ifotony fa mba hampahomby kokoa ny asa atao dia mila averina ny hasin’ny Fokonolona. Nahatsapa ny rafitra ifotony fa tsy maintsy manambatra hery mba ahafahana manatanteraka izany fanamby lehibe izany. Nivory tao Anjà araka izany ny solontenan’ny rafitra ifotony mitantanana ny harena voajanahary miisa 482 avy amin’ny faritra 16 eto Madagasikara ka tapaka hevitra fa hanangana ny Tambazotran’ny Fokonolona Mitantana ny Harena Voajanahary na TAFO MIHAAVO ny 22 mey 2012.

VINAN'NY TAFO MIHAAVO
Tafo mihaavo - vina

VINA

Ezahana hifandrindra amin’ny filàn’ny mponina sy ny taranaka mifandimby ary ny fifanarahana iraisam-pirenena ny vina nofaritana hatrany amin’ny taona 2020 ka azo fintininy ho toy izao:

– Tontolo iainana salama, fanoitry ny fivoarana lovain-jafy ho an’i Madagasikara

– Fokonolona malagasy:

• Mahomby (fahatrarana ny tanjona, fandrafetana drafitrasa …) ;

• Mahatoky (fahaizana mitantana sy mifampitondra ary mifampiraharaha) ;

• Hajaina ;

• Mahaleo tena (manana ny enti-miasa);

• To teny ;

FOTOKEVITRA IJOROANA
Tafo Mihaavo - fotokevitra

FOTOKEVITRA IJOROANAN’ NY TAFO MIHAAVO

– Harena voajanahary voatantana ho lovain-jafy;

– Fitsinjarana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny harena voajanahary mitondra any amin’ny
fizakan-tenan’ny Fokonolona;

– Famolavolana sy fanatanterahana ny Teti-pandrosoana entina mivoatra eny anivon’ny Fokonolona
izay manaja ny tontolo voajanahary sy ny lafiny kolontsaina;

– Fanampian’ny mpisehatra hafa ny Fokonolona, ara-teknika sy ara-bola, amin’ny fanatanterahana ny asany;

– Fahefan’ny Fokonolona sy ny rafitra mpitantana ary ny vovonana ao aminy, miainga eny ifotony ka hatramin’ny
sehatra nasionaly;

– Fandraisan’andraikitry ny Fokonolona eo amin’ny fifampitondrana ao anatin’ny faritra ifampivelomany,
noho izany, izy no mametraka ireo rafitra ilainy amin’ny fitantanana ny harena voajanahary
misy eo aminy;

– Fokonolona ekena hifanakalo sy hifampiraharaha amin’ny sehatra rehetra.

Olana & Fanamby
Tafo Mihaavo - olana - fanamby
Olana

– Tsy fahampian’ny fahefana sy andraikitry ny Fokonolona eo amin’ny fanapahan-kevitra sy fitantanana ny harena voajanahary, ka mahatonga ny fandrobana ny harena voajanahary ;

– Didiko fehy lehibe mianjady amin’ny Fokonolona amin’ny fomba fitantanana ny harena voajanahary ;

– Fanararaotana ataon’ny mahay taratasy amin’ny tsy mahay taratasy,

– Tsy mirindra ny riba vao sy ny nentim-paharazana efa manaja ny harena voajanahary ka manakorotana ny fiaraha-monina ;

– Tsy hajain’ny avy ivelany ny rafi-pokonolona sy ny soatoavina eo an-toerana ;

– Sahirana ara-pivelomana ny Fokonolona, tsy ampy ny enti-manana sy ny fahefa-mividy;

– Tsy mipaka any amin’ny Fokonolona ny tombontsoa azo avy amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo iainana sy ny fitrandrahana ary ny fampiasana ny harena misy eo aminy;

– Maro ireo lalàna sy Dina tsy nifampierana ka tsy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny Fokonolona;

– Misy tsy mazava ny fizarana andraikitra eo amin’ny Fokonolona sy VOI eo amin’ny fifampitondrana sy ny fitantanana;

– Misy tsy manara-penitra ny fahaizan’ny Fokonolona sasany eo amin’ny fitantanana ny harena voajanahary;

– Tsy nomena hasina ny fahombiazan’ny Fokonolona.

Fanamby

– Fanajana ny Soa Iombonana sy ny Kolontsaina ao amin’ny Faritra Ifampivelomana;

– Fahavitan’ny Fokonolona mamaritra ny Faritra ifampivelomany;

– “Fifanabeazana, fananana, fivoarana, fifampitondrana, fitantanana, fitrandrahana ary fanajariana mifandanja” manaja sy mivoy ny fifamatoran’ny kolontsaina sy ny harena voajanahary;

– Fahazoana fahalalana sy fahaizamanao ho amin’ny fananana, fivoarana, fifampitondrana, fitantanana ary fanajariana;

– Fanajana sy fivoizana ny kolontsaina sy ny fahendrena malagasy;

– Resy lahatra ny tsirairay fa ny harena voajanahary no miantoka ny fahavelomana ka mendrika anaovana valimbabena;

– Tahirim-pokonolona, fanoitry ny fampivoarana ifotony miahy ny faritra ifampivelomana, mitondra any amin’ny fahavitan-tena ara-toekarena, ara- tsosialy ary ara-tontolo iainana;

– Tahirim-pokonolona ifotony sy iombonana mifono firaisankina sy fifampitokisana, antoky ny fandriampahalemana (Trano atsimo sy avaratra, ka izay tsy mahalena ialofana);

– Fokonolona rehetra tsy ankanavaka mifampitsinjo sy miara-mientana ao anatin’ny Faritra Ifampivelomana;

– Fizakana zo ary fandraisana andraikitra mitsinjo ny taranaka mifandimby.