• Manamafy orina ny Tafo Mihaavo amin’ny alalan’ny fampizarana ny foto-kevitra eo amin’ny Fokonolona mpikambana
• Manapariaka ny vaovao, ny fahombiazana sy ny fanamby any amin’ireo fitaovan-tserasera isan-karazany toy ny haino aman-jery, gazety, tranonkala ary eo amin’ny samy mpikambana
• Manitatra ny tambazotra amin’ny mpikambana vaovao izay mahafeno ny fepetra, mametraka ny komitim-paritra amin’ny faritra rehetra ary mametraka ny ivon-toeram-pifandraisana isam-paritra
• Miditra mpikambana ao amin’ireo tambazotra iraisam-pirenena izay miady ho an’ny fandraisan’andraikitry ny Fokonolona sy fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary
• Mifampiraharaha amin’ny mpanabe eny ifotony sy ny fanjakana hampidirana ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ara-tontolo iaianana amin’ny fanofanana isan’ambaratongany manomboka eny amin’ny fototra ka hatramin’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.