UNION MAITSO

UNION MAITSO : FANJARIANA NY ALA TAPIA SY NY HAY-RAHA NENTIM-PAHARAZANA MOMBA NY LANDY GASY HANATSARANA NY FARI-PIAINAN’NY MPONINA

Fokonolona sivy ambiny folo ao amin’ny firaisam-pokotanin’Arivonimamo II, anisan’ny faritr’Itasy (afovoan-tanin’i Madagasikara) no tafaray ao amin’ny « Union Maitso » na fiarahana maitso amin’ny fitantanana ny ala Tapia mirefy 2.240 ha. Ny mpikambana dia mahatratra ny roa ampahatelon’ny mponina ao amin’ilay faritra ifampivelomana na Fokonolona. Ny fikambanana dia voaforon’ny mpiantsehatra sy vondrona ara-tsosialy sy ara-toekarenan’ilay faritra ifampivelomana anisan’izany ny mpampiasa ny ala, ny mpioty akoran-dandy sy ny zana-bokatra, ny mpamokatra kofehy, ny mpanenona, ny mpamboly, ny mpandrary… tafaray noho ny fahavononana itambarana dia ny hiaro ny ala tapia sy ny tanjona hanabe voa ny vokatra, ny fahalalana sy ny hay-raha momba ilay faritra ifampivelomana nahaterahana.

Ny olana nosetraina

Nanomboka ny 1980, dia niharan’ny fikapana tafahoatra mba hanaovana arina sy kitay ny ala tapia izay karazana tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Fongana ny ampahatelon’ny ala tao anatin’ny folo taona. Ankoatr’izay, dia nihendanja be dia be ny famokarana landy gasy izay nampalaza io faritra io fony faha mpanjaka. Ireny rehetra ireny dia nitarika fikorontanana teo amin’ny toe-karena, tontolo iainana ary ny sosialin’ilayfaritra ifampivelomana.

 

Union Maitso

Noforonina tamin’ny : 2004
Mpandray soa mivantana: mpikambana 2 000
Ala Tapia gérée: 2 240 ha
Vokatra hita eo amin’ilay faritra ifampivelomana : vokatra avy amin’ny landy gasy(fantatra amin’ny hoe Landin’Itasy), ny rary, ny voan’ny tapia…
Karazan-javaboahary: bibikely,vorona indrindra ny “marotainaacridotheres tristis, holatra, zanadandy, bozaka, zavamaniry fanao fanafody…

Ny zava-bita

  Fitantanana mahomby ny ala tapia

Mba hisetrana ny olana tamin’ny 2001 ary noho ny fanohanan’ny Ben’ny tanan’Arivonimamo II, ny sampandraharahan’ny ala dia namindra ny andraikitra fitantanana ny ala ho amin’ny vondron’olona ifotony.
Ny fampiharana ny fifanarahana ara-tsosialy antsoina hoe « dina » , ny fitsipika anatiny sy ny didim-pitondran’ny faritra ary ny fanatanterahana ny drafitra fanajariana sy fitantanana ny faritra: fanamboarana fiarovana amin’ny doroala, fanesorana ny karazana nampidirina, famokarana zanakazo sy fambolena tapia, fanarahamaso…dia miaro ny ala tsy ho simba.
Nandritra ny folo taona nitantanan’ny fikambanana sy ny vondrona ifotony 19 dia tsy nisy doro tanety na doro ala. Tsy voakasiky ny tetika ala intsony ny ala tapia ka dia nitombo hoazy ireo taho misy faka na tsy misy ary vokatr’izany dia nahatratra 10 000 ireo zanakazo tapia farafahakeliny.

• Fampanjariana ny vokatry ny faritra ifampivelomana sy fanatsarana ny hay-raha nolovan’ny taranaka nifandimby

Ny vokatra landy gasy, nampiasaina taloha ho famonosana razana na natokana ho an’ny fianankavian’ andriana, dia be mpankafy ankehitriny indrindra eo amin’ny lamaodin’ireo tanora ka tonga famantarana olona mihaja ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Ny fikambanana dia mampiasa vata fampitomboana ny bibin-dandy gasy (Borocera madagascariensis), karazany fahita amin’ny afovoan-tanin’i Madagasikara izay mivelona amin’ny ravin-tapia ary aely any an’ala avy eo ireo soherina.
Mifehy tsara ny fanamaroana ny vokatry ny fikambanana, ny fanenoman-damba sy ny fandokoana kofehy amin’ny akora natoraly, ampian’ny hay-raha sy ny fanandramana natao teo an-toerana momba ny fampiroboroboana ny varotra. Misy ny fankalazana isan-taona momba ny landy nomanin’ny faritra. Ny vokatra manana ny famantarana « Landin’Itasy » na landy avy any Itasy sy ny vokatry ny fambolen’ny faritra ifampivelomana ifotony dia malaza ankehitriny manerana ny nosy.

Ireo soa iombonana sy fomba fivelomana maharitra

Amin’ireo tokantrano 400 ao amin’ilay faritra ifampivelomana, dia misy 55 isan-jato mandray 750 000 Ariary isan-taona (US$ 340) azo noho ny fiotazana akoran-dandy izay namidy tamin’ny mpanangom-bokatra na tamin’ny mpamokatra kofehy amin’ny vidiny 7 500 Ariary ny kilao. Ny famokarana sy ny fivarotana kofehy dia manome 840 000 Ariary isan-tokantrano ao anatin’ny enim-bolana ho an’ny 25 isan-jaton’izy ireo.

Union Maitso - landy gasy

Ireo vokatra vita amin’ny landy gasy mampalaza ny faritra

 

Ny 55 isan-jaton’ny tokantrano farafahakeliny dia mahazo mihoatra ny 1 200 000 Ariary isan’olona amin’ny fiasana tapa-potoana, izany hoe ny mifanitsy amin’ny karama ambany indrindra ao anatin’ny herintaona eto Madagasikara, azo avy amin’ny fivarotana ny vokatry ny tenona na ny zana-bokatra azo amin’ny ala toa ny holatra, ny voan’ny Tapia, ny zanadandy (tena be proteinina), ny zavamaniry fanao fanafody sy ny harona vita amin’ny bozaka maniry eo ambanin’ny Tapia, ankoatr’ireo ampiasain’ny fianakaviana mivantana.

Ny asa atao araky ny fizaran-taona noho ny fandrosoan’ny famokarana landy gasy dia mbola mamela an’ireo fianankaviana hamboly koa. Noho ny teknika nohavaozina nanomboka tamin’ilay tetik’asa, dia nitombo avo roa heny ny vokatry ny fambolena.

Voamarika koa ny fitomboana sy ny fihatsaran’ny trano onenana ary ny isan’ny omby ao amin’ilay faritra ifampivelomana.

Ny ampahatelon’ny ankizy tsy afaka nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa teo aloha dia manao izany ankehitriny eo amin’ny tanana akaiky ary mandoa sara-pianarana 35 000 Ariary tsirairay isam-bolana.

Union Maitso