UNION SOA MITAMBATRA: FITONDRANA SY FITANTANA IOMBONANA NATAON’NY SOA MITAMBATRA DIA MAMERINA AMIN’NY FOMBA VOAJANAHARY NY SOA EO AMIN’ NY TONTOLO IAINANA SY NY TOE-KARENA ENTIN’NY FARIHY SY NY ALA.
Ny fiainan’ny vondrom-mpiara-monina eo an-toerana folo, antsoina hoe Fokonolona, izay misy tokantrano 1080 ahitana olona 6 589 ao amin’ireo faritra ifampiveloman’ny Fivondronam-pokotany ambanivohitr’i Manambina ao amin’ny Faritra Menabe (faritra Andrefan’i Madagasikara) dia miankina indrindra amin’ny tontolo iainana voajanahary voaforon’ny farihy dimy mirefy 165ha sy ny ala Badika (Hyphaene Shatan), karazana palmie zanatany, mirefy 14 910ha. Ny vatana sy ny taho ary ny ravin’ity karazana ity dia ampiasaina amin’ny fanorenana trano ary mbola ampiasaina amin’ny rary ny raviny. Be tilapia, karpa, poisso-chat, amalona sy trondro hafa ireo farihy.
Olana nosetraina sy fihetsika nasetrin’ireo Fokonolona
Notrandrahan’ny orin’asa mpamokatra paraky tamin’ ny fomba tafahoatra io ekôsistema io ka hazo Badika boribory 500 m3no voatapaka isan-taona ary ravi-maina an-taonina no nampiasaina ho an’ny fambolena zanakazony. Koa nangataka ny famindram-pitantanana teo amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Ala ary ny Jono mankany amin’ny vondron’ny mpiara-monina mba hitantanan’izy ireo maharitra io ekôsystema io tontolo iainana tny vondrom-mpiara-monina ao Marolfeo sy Manalbina tamin’ny 2003.
Noho ny fiekena manerana ny nosy ny fahombiazan’ilay vondrona teo amin’ny fitantanana, dia nanapa-kevitra ny Fokonolona avy amin’ny faritra ifampivelomana valo hiaraka tamin’izy ireo ka nanangana ny Fikambanana Soa Mitambatra tamin’ny 2008.
Ny zava-misy
Noforonina tamin’ny : | 2008 |
Mpandray soa mivantana: | olona 6 589 |
Ala Badika voantantana: | 14 910 ha |
Tokantrano: | 1 080 |
Karazan-java-boahary: | Badika (Hyphaene Shatan), tilapia (Oreochromis niloticus), karpa (Cyprinus carpio), poisson-chat marin (Ariidae), amalona (Anguilla mauritiana)… |
Farihy : | 165 ha |
Vokatr’ilay faritra ifampivelomana : | trondro, tenona, rary, tafo bozaka… |
Zava-bita : fitantanana iombonana nahomby ny ala Badika sy ny farihy
Soa Mitambara dia mampihatra ireo fifanarahana ara-tsosialy antsoina hoe « dina » ary ireo fitsipi-pitantanana sy fitondrana nifanekena tamin’ny sampan-draharaha teknika, sy ny Fivondronam-pokotany sy ny vondron’ny mpiara-monina ary ny mpampiasa tao anatin’izany ny orin’asa mpamokatra paraky. Mampitombo ny fihavaozana sy ny firoboroboan’ny ala Badika io fomba io.
Nahatonga ilay faritra ifampivelomana tsy hisy doro-tanety intsony nandritra ny folo taona nitantanan’ny vondron’ny mpiaramonina ny fampiharana ny fitsipika mifehy ny fitantanana. Nahatonga fihavaozana sy firoboroboana voajanaharin’ny ala Badika mirefy 14 910ha izany.
Ambonin’izany, dia mikojakoja isan-taona lakan-drano voajanahary sivy avy ao amin’ireo farihy dimy, ny vondron’ny mpiara-monina, sady manajary faritra fanatodizan’ny trondro mirefy 6ha, mampiasa harato manara-penitra, mampiroborobo amin’ny fomba voajanahary ny fahamaroan’ny trondro, sady mamela fe-potoana roa volana mba hanatodizan’ny trondro ary tsy mampiditra zana-trondro hafa amin’ny reniranon’I Sakena sy Loazy mpamatsy rano ireo farihy. Misy asa iraisan’ny vondron’ny mpiara-monina atao isan-taona mba hanesorana ireo ahi-dratsy.


Soa iombonana sy fomba ivelomana maharitra
Noho ny famokarana tsy an-kiato trondro 150 taonina isan-taona sy ny fitazonana ny firoboroboan’ny ala Badika amin’ny tsy fisian’ny doro-tanety, dia mampidi-bola tsy tapaka ho an’ireo Fokonolona ny ekôsistema Mampidi-bola fara fahakeliny 400000 Ariary isam-bolana ho an’ny tokantrano tsirairay (200 dolara izany hoe in-efatry’ny karama farany ambany eto Madagasikara) ka ny ampahan-telony azo avy amin’ny tenona ataon’ny vehivavy ary ny ambiny avy amin’ny vidin-trondro. Noho io vola miditra io dia tokantrano efatra no mitantana ozinina fitotoam-bary ampiasain’ny vondron’ny mpiara-monina ary samy manana fara fahakeliny lakana iray hanjonoana ny tokantrano rehetra raha toa ka efapolo isan-jato ihany izany taloha.
Mandoa sarany 1 000Ar isaky ny kamio amin’i Soa Mitambatra ny mpanangom-bokatra izany hoe 200 000 Ar isan-taona ary 70Ar isaky ny kilaon-trondro mivoaka ny faritrin’ny fivondronam-pokontany.
Ireo harena voajanahary nohajariana dia manome ny fitaovana ilaina amin’ny fanorenana trano: rindrina, hazo fisaka, tafo, tanjany. Ankoatr’izay ny fon’ny Badika sy ny trondro dia sakafo mitohy hoan’ny mponina. Talohan’ny 2003, dia 30 isan-jaton’ny ankizy monja no nianatra, ankehitriny kosa dia 90 isan-jaton’ny ankizy ao aminilay faritra ifampivelomana,no mianatra amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany ao amin’ny Fivondronam-pokontany.

Miady ho an’ny tombotsoan’ny taranaka nay aorian ny vondron’ny mpiara-monina .