VOI FIKASOA : FITONDRANA SY FITANTANA IOMBONANA SADY MAHOMBY NO MAHARITRA IREO HONKO, FARIHY, ARY HARAN-DRANOMASINA
Ny VOI FIKASOA dia fikambanana ivondronan’ny mponin’Andrevo Ambany, ao ami’ny fivondronam-pokotanin’i Manombo, faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara. Mihoatra ny 85 isan-jaton’ny mponina no mivelona amin’ny jono.
Nohon’ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka, dia nanajary faritra voaaro mandavan-taona mirefy 5,5ha ny FIKASOA mba hiarovana ny haran-dranomasina. Ankoatr’izay, tamin’ny 2001 dia nanomboka nampiasa rafi-pitantana iombonana ny honko mirefy 40ha sy farihy 3ha misy zozoro izy
.
Noforonina tamin’ny : | 2001 |
Mpandray soa mivantana: | Olona 1169 |
Ala honko voatantana: | 40 ha |
Tahirin-dranomasina tantanana miaraka amin’ny fikambanana FIMIHARA: | 5,5 ha |
Tokantrano: | 511 |
Zava-manan’aina samihafa: | voay (Crocodylus niloticus), trondron-dranomamy (Tilapia, amalona…), vorona (Vano Ardea cinerea firasa na pendaloha), patsabe, foza, biby manana tena malemy anaty ranomasina (Horita, angisy, akoran-dranomasina…), vato harana, honko karazany efatra (Bruguiera gymnorhyza.. . Avicenia marina, Sonnerata alba, Rhizophora) |
Farihin-jozoro voaaro : | 3 ha |
Ny olana nosetraina
Ny Haran-dranomasina Lehiben’i Toliara izay latsaky ny 20m ny halaliny ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, dia sady salama tsara no mitahiry harena mahavariana ka heverina ho ny toerana lehibe faharoan’ny haran-dranomasina misy tahirin-javamanan’aina samihafa. Asehon’ny fikarohana anefa fa nisy fihenana betsaka teo amin’ny fiarovana ny haran-dranomasin’ny moron-dranomasina teo anelanenan’ny 1962 sy 2011, 37 ka hatramin’ny 79 isan-jato izany1. Kanefa, manome fiarovana ny tontolo iainana amboniny sy tahiri-na karbona avy amin’ny ranomasina sesehena, ny haran-dranomasina. Ho an’Andrevo, dia anisan’ny ampahan’ny morondranomasina eo anelanelan’i Morombe sy Toliara ny haran-dranomasiny. Ny fikarohana natao teo anelanelan’ny 2006 sy 2007 dia nahafahana nilaza fa mbola voatahiry tsara ireo haran-dranomasina raha toa ka mihasimba be kosa ireo harambato, indrindra ireo ao amin’ny fanambanin’ny ranomasina.
Nohon’ny fitrandrahan’ny mponina tafahoatra sy tsy am-piheverana an’ireo hazo honko, dia fongana ny ampahany betsaka amin’ny ala honko manodidina ny tanàna. Ireny hazo ireny dia nampiasaina tamin’ny fanorenana trano, fandrahoan-tsakafo, famokarana arina…


Ny zava-bita
Nanomboka tamin’ny taona 2001, dia nafindran’ny sampandraharaha teknika tamin’ny FIKASOA ny andraikitra amin’ny fitantanana ny harena voajanahary. Hatramin’izay dia nanamarika fihatsarana teo amin’ny fahasalaman’ireo harena voajanahary indrindra fa ny ala honko ny tompon’andraikitry ny fikambanana.
Amin’ny fampiharana ny fifanarahana sosialy antsoina hoe « dina », dia miantoka ny faharetan’ny harena voajanahary sy ny jono i FIKASOA amin’ny fiarovana ny tontolo iainana iroboroboan’ny karazan-javamanan’aina sy ny toerana fiompiana mba hampaharitra ny tahiri-trondro sy ny harena an-dranomasina hafa ho an’ny taranaka hoavy.

Ala honko 40ha tantanan’i FIKASOA maharitra
Ny fiovan’ny tahan-tsira amin’ny rano mamatsy ny farihy dia mampahela ny fitomboan’ny zozoro, koa nahomby i FIKASOA tamin’ny fakana fepetra mba hifehezana ny tahan-tsira amin’ny fampidirana ny ranomasina sy ny ranomamy. Mba hampitombo tsara ny zozoro, akora fototra amin’ny fanaovan-trano eo an-toerana, dia nanao lakan-drano mirefy 1 200m misy fefiloha hifehezana ny tahan-tsiran’ ny rano mamatsy ny farihin-jozoro izy. Ny fototra honko 25 000 novolena sy naparitaka indray tamin’ny velarana 10ha dia hahafahana mamerina amin’ny laoniny indray ny faritra itomboan’ny karazana maron’ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny fiarovana ny haran-dranomasina amin’ny fahasimbana, izay an’isan’ny faritra itomboan’ny karazana eo amin’ny tontolo iainana.
Soa iombonana sy fomba ivelomana maharitra
Ny fiarovana ny haran-dranomasina sy ny honkon’ilay faritra ifampivelomana dia mampaharitra ny tahiri-trondro sy ny harena an-dranomasina ho an’ny tokantrano 430 ao amin’ilay faritra. Nefa mba hialana amin’ny fanerena tafahoatra eo amin’ny fahafahan’ny harena mihavao, FIKASOA dia nampiroborobo ny fambolena ahidrano izay mampiditra 10 hatramin’ny 30 isan-jaton’ny vola raisin’ny tokantrano 50.
Ambonin’izany, ny tetik’asan’ny vehivavy 180 ao amin’ilay faritra ifampivelomana dia nahazoana namatsy vola ny asan’ireo vehivavy mpivaro-trondro mba hampivoarana ny fidiram-bolan’ny tokantrano. Io fanatsarana io dia hita amin’ny fisian’ny sekoly tsy miankina, porofo fa afaka mandoa sara-pianarana ny ray aman-dreny .
Manana fomba ikarakarana ny vokatry ny jono ny FIKASOA ary mikasa hanorina koperativa mba hialana amin’ny fifehezan’ny mpanjifa ny vidin-javatra sy mba hampiroboroboana ny fiompiana holothurie (tapatay), izay tena ankafizina any Azia.
Ny fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo rehefa mahazo rano madio, afaka mitsabo tena sy rehefa afaka mankany an-tsekoly ny ankizy, ampian’ny asa mampidi-bola dia mampihena ny fahosan’ny mponina ka mahatonga azy hiasa kokoa ka manatanjaka ny fahafahany misetra ny krizy.

Fambolena ahidrano ataon’ny mpikambana ao amin’ny VOI FIKASOA